Mandalo eto Roma i Mgr Marcellin, evekan'i Farafangana, ka tonga niara-nanolotra ny Sorona Masina taminntsika tao amin'ny Ankohonana. Ity alahady ity koa no natokan'ny mpikambana vaovao ao amin'ny MDMK hanolorany tena ho an'i Masina Maria sy nanavaozan'ireo efa mpikambana hatramizay ny Famehezantenan'izy ireo.







































































































