ALAHADY 29/03/2026

Miarahaba antsika reperta !

Nankalaza ny Alahadin’ny sampankazo isika ny 29 marsa teo. P. Thierry no nitarika ny sorona masina tamin’izany, niaraka tamin’ny pretra hafa tonga tao : môpera Albert sy Pascal. Francel no nanao ny raharahan’ny mpiserivy. Ny “Fraternità” no nanentana ny litorjia tamin’io fotoana io. P. Joslin, Prez. Silvestro, Mrs Hervé sy José no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.

Tao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino ihany isika no nivory ny tolakandro tamin’ny 2, nanamarika ny datin’ny 29 marsa tamin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka tamin’ireo Fiangonana rahavavy (FFKM -Roma).

Aza hadino ny fivahiniana masina marialy karakarain’ny Migrantes Roma amin’ny 18 avrily ho avy izao. Miainga ao Circo Massimo amin’ny sasakalin’ny sabotsy 18 avrily ny dia makeny amin’ny Santuario del Divino Amore ; lamesa eny amin’itsy farany, tarihin’ny “Cardinale Vicario”, amin’ny 5 ora marainan’ny alahady 19 avrily.

Ao anatin’ny herinandro masina isika izao, ka andao àry hifantoka amin’izany sy hiomana amin’ny Paka. Ny alakamisy masina, zoma masina ary sabotsy masina dia samy hanomboka amin’ny 6:30 hariva ny lamesa na fotoam-pivavahana ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino. Ny Alahady-Paka kosa dia amin’ny 9:45 maraina. Ny fifandaminana mandritra izany – fanentanana, vakiteny, ranombavaka, dihy…- dia efa nampitaina ary efa iomanantsika araka ny tandrify antsika tsirairay avy.

Hiombom-bavaka amin’i Vola Koto Avosaina isika amin’ny firosoany amin’ny dingana haha-katôlika azy amin’ny Sabotsy masina izao ao am-piangonantsika (mandritra ny Alina masina fiaretan-tory ankalazana ny fitsanganan’ny Tompo). Mitondra am-bavaka an’ireo zaza ihany koa, Zafilaza Elsie sy Amine Hamish, izay handray ny batemy, ao amin’ny San Macuto-Bellarmino, amin’ny alahadin’ny Paka izao (5/04/2026).

Ho an’ny alatsinain’ny Paka indray (Pasquetta) dia hisy fitsangatsanganana any Subiaco, karakarain’ny “Malagasy miombona eto Subiaco”, izay efa hitantsika any rehetra any ny fanasana : manasa ny Malagasy rehetra izy ireo mba ho tonga. Izay tsy afaka mandao an’i Roma moa, noho ny antony samihafa, dia tsy ferana ny ho fisian’ny fandaharana madinidinika eny.

 

Mirary soa ho antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.