Alahady 1 septambra, alahady faha-22 mandavantaona, nentanin'ny Ekipa Solida

 

Taorian'ny fialan-tsasatra dia niverina niara-nanolotra ny Sorona Masina tao amin'ny eglizintsika ao San Macuto ny Ankohonana ny alahady 1 septambra ka i aumônier no nitarika izany ary nanotrona azy i mompera Etienne sy mompera José. Ny Ekipa Solida no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Ny andron'ny 30 aogositra teo moa no nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany ny Filohantsika ka nanomana fiaraha-manandratra vera ho firariantsoa ho azy ny Ankononana taorian'ny lamesa.