Alahady 14 janoary, nanotronana an'i Kardinaly teny amin'ny eglizy San Gregorio Barbarigo

 

Isaorana isika rehetra tonga nanotrona ny Kardinaly tao amin’ny Paroasy San Gregorio Barbarigo, eny EUR/Laurentina-Roma. Ity eglizy ity moa no nankinin’ny Papa François aminy, araka ny efa nazavaina tato ihany :

Tsindrio : Fandraisan'ny kardinaly ny paroasy San Gregorio Barbarigo

Tsy nisy ny lamesa tao amin'ny eglizin'i San Macuto noho izany. Somary fohy ny fotoana nihaonana taminy taorian’ny lamesa kanefa dia nahafinaritra ihany. Ny komity sy olona iray avy isam-bondrona kosa no nandray azy sy nanolotra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao ary niara-nisakafo taminy tamin’ny anaran’ny Ankohonana manontolo. Isaorana ny Frera Marista nampiantrano izany fihaonana izany.