Fankasitrahana

Miarahaba antsika rehetra !

Isaorana Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny fankalazantsika miaraka ny fetin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo omaly 8 ôktôbra 2023. Mankasitraka an'i Mgr Donatien nitarika ny sorona masina, Mgr Jean Pascal nitondra ny fampianarana vatsim-panahy tamin'ny alalan'ny toriteny, ireo pretra maro niara-nisorona. Misaotra ihany koa an'ireo izay nanentana ny litorjia izay nanampy ny olona hivavaka bebe kokoa. Isaorana manokana ireo avy ao amin'ny Masoivoho malagasy eto Roma nanatrika sy niombona tamin'ny Sorona masina sy tamin'ny fety ; toy izany koa ireo namana avy ao amin'ny Fiangonana Protestanta.

Misaotra antsika rehetra izay niara-nisalahy tamin'ny fanomanana sy fiatrehana an'iny fety iny. Ny sabotsy tolakandro dia efa nisy ny fijerena sy fanomanana mialoha ny toerana. Maro no tonga nifanome tanana tamin'izany. Nitohy ny alahady maraina ny fanomanana ka nisy ireo izay tonga mialoha, ary nandritra ny andron'ny fety dia nifarimbona tamin'ny lamina isan-karazany isika. Mankasitraka antsika rehetra.

P. Pascal sj