Alahady 2 jolay, alahady faha-13 mandavantaona, nentanin'ny Vondrona Saint Augustin

 

I Aumônier no nitarika ny Sorona Masina, notronin'i mompera Narindra sy mompera Etienne ary i diakra Simon izay nametra-beloma tamin'ny Ankohonana fa hitodi-doha any an-tanindrazana afaka herinandro, hiatrika ny fanosorana azy ho mpanompon'ny Avo amin'ny 6 aogositra ho avy izao. Ny vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia.