Alahady 22 febroary, alahady voalohany amin'ny karemy nentanin'ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja

 

I mgr Herizo, evekan'i Maintirano, no nitarika ny Sorona Masina ary notronon' i mgr Donatien, evekan'Ambanja. Niaraka nanolotra izany tamin'izy ireo ny pretra maromaro eto Roma sy ny manodidina, ary koa i mgr Robert Légal, arsevekan'i Toulouse efa misotro ronono sy diakra Daniel, izay manao fivahiniana masina eto Roma. Ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja no nanomana sy nanentana ny litorjia.