Alahady 23 martsa, alahady faha-3 amin'ny Karemy, nanaovana ny Fihatahana masina iomanana amin'ny Paka

 

Natomboka tamin'ny Sorona Masina notarihan'i mompera Nicolas niaraka tamin-i aumônier sy ry mompera Fulgence sy Joslin izay sady nitendry ny vatamaroafitsoka ny fotoana. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Rehefa vita izay dia notohizana tamin'ny tari-kevitra sy fifampizaràna nataon'i aumônier niainga tamin'ny taratasin'i Papa François ho an'ny Karemy 2025.