Fiomanana amin'ny fandraisana ny Noely 2023

Miarahaba antsika rehetra !

Mifarana amin'ny alahady 26 nôvambra 2023 izao ny taona litorjikan'ny Fiangonana. Herinandro aorian'io, izany hoe ny 3 desambra 2023, alahady voalohany amin'ny Fiaviana, dia hiditra amin'ny fiomanana amin'ny Noely isika ; miomana sahady amin'ny fandraisana an'i Jesoa zazakely. Hataontsika amin'ny fomba samihafa izany fiomanana izany. Eo ny fiomanan'ny tsirairay : tsy misy mahasolo anao eo amin'ny fanovàna ny fiainanao na eo amin'ny fikasanao hiala amin'ny fahazaran-dratsy na eo amin'ny fanatanterahana izay fikasanao manokana. Ianao no mandinin-tena, midira ao anatinao ; ianao no mahatsapa ny banga ; ianao no mikasa ; fa ianao ihany koa no manatanteraka. Tsy misy na iray aza mahasolo anao fa manampy ihany no ataon'ny manodidina anao. Karazan-kevitra maro samihafa no mifamahofaho ao amintsika ao anatin'ny faninihantena izany, fa ny mahay manavaka ireo hevitra ireo no hahitantsika ny lala-mazava voasoritra hitsenantsika ny misterin'ny fahatongavana ho nofo. Hoy i Md Ignasy avy any Loyola momba ity hevitra mifamahofaho ao amintsika ity : "Heveriko aloha fa misy karazan-kevitra telo ato amiko : ny anankiray tena ahy mihitsy, avy amin'ny safidiko sy ny sitrapoko ; ary ny roa hafa avy any ivelany ; ka ny iray avy amin'ny fanahy tsara, ary ny iray avy amin'ny fanahy ratsy" (Fampiasam-panahy nº32). 

Eo koa ny fiomanana miaraka hamafisin'ny "Eglizy miara-dia". Hankalazaintsika ireo alahady efatra amin'ny Fiaviana : alahady 3, 10, 17 ary 24 desambra 2023 hiomanantsika amin'ny fahatongavan'ny Noely. Hanao récollection miaraka ao amin'ny Chiesa San Macuto isika amin'ny alahady 10 desambra 2023, izay hifantoka amin'ny fiomanantsika amin'ny Noely. Entanina noho izany isika mba ho afaka sy ho vonona amin'izany fiaraha-miomana ara-panahy izany. Hisy lamesa ao amin'ny fiangonantsika amin'ny alahady 24 desambra maraina amin'ny 9:30, litorjian'ny alahady faha-4 amin'ny Fiaviana. Ny alin'ny 24 desambra dia tsy hisy "sasakalina" ao San Macuto, fa mihaona ao indray isika miaraka mankalaza ny Noely amin'ny alatsinainy 25 desambra maraina amin'ny 9:30.

Na eo amin'ny fiomanan'ny tsirairay na eo amin'ny fiomanana miaraka dia mety hanampy antsika hatrany ary zary tosika ho an'ny tsirairay ny fitodihana manokana amin'izay nahatonga an'Andriamanitra hilatsaka ho amin'ny fahatongavana ho nofo. "...eto dia hoheveriko ny Olona telo amin'ny Trinite Masina  mandinika ny tany manontolo feno olombelona ; ary mijery azy rehetra mivarina any amin'ny afobe, ka manapa-kevitra hatram'ny mandrakizay, fa haniraka ny Olona faharoa haka nofo hamonjeny ny taranak'olombelona..." (Fampiasam-panahy nº102), hoy i Md Ignasy avy any Loyola. Fitiavana hamonjy antsika rehetra no raki-tsarobidin'ny fahatongavana ho nofo. Mba samy hanaiky hotiavina sy hovonjena anie isika rehetra !

 

P. Pascal sj