Fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo Roma

Miarahaba antsika rehetra !

Ny andron'ny 21 aogositra no fankalazan'ny Fiangonana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, izay mpiahy ny Ankohonantsika. Niparitaka isika ny volana aogositra teo noho ny fialan-tsasatra. Mba ho afaka hankalaza izany miaraka ary isika, noho ny maha fety lehibe azy ho an'ny Ankohonantsika, dia nifidy andro hafa : ny alahady 8 ôktôbra 2023.

Afaka andro vitsivitsy dia ho tonga izany andro hankalazantsika azy izany. Efa fantatsika amin'ny alalan'ny filazana isan-karazany ny mombamomba ny fiomanatsika amin'io fety io. Zava-dehibe ny fanomanantsika ny fety fa tsy tokony holatsa-danja ihany koa ny fiomanam-panahin'ny tsirairay. Vanim-potoana azontsika anararaotana hahalalana bebe kokoa ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo izao, hahalalana ny fomba niainany ny evanjely sy ny anjara andraikiny teo amin'ny tantaram-pitoriana ny evanjely teo amin'ny Firenentsika.

Isan'ny antom-pisian'ireny Olontsambatra sy Olomasina ireny ato amin'ny Fiangonana ny mba hataontsika fakan-tahaka eo amin'ny fiainana maha-kristianina antsika. Halalino sy fantaro ary ny tantaram-piainan'i Victoire Rasoamanarivo fa mety hisy zavatra iray na roa mety hanaitra anao manokana ka hanova ny fiainanao. Dia aza hadinodino ny mivavaka mandrakariva ny hananganana azy ho Olomasina fa mila azy ho fakan-tahaka isika.

P. Pascal sj