Alahady 12/05/2024

Miarahaba antsika rehetra indray !

Ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin'ny sorona masina ny alahady 12 mai teo, niaraka tamin'i môpera Joslin teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Môpera Mamy kosa no nitarika ny lamesa, notronin-dry môpera Tolotra, Etienne, Joslin (sady nitendry) ary Pascal. Teo am-panombohana ny sorona masina dia nisy ny famangiana an'i Masera Amélie noho ny famoizany ny reniny tany Madagasikara. 

Anjaran'ny M.D.M.K. no manomana sy manentana ny litorjia amin'ny 19 mai ho avy izao, alahady pantekôty ary mbola anjaran'izy ireo ihany koa ny mitady fotoana handiovana ny fiangonantsika ho an'ny volana jiona 2024. Misaotra ny Pretra sy Relijiozy nanao ny fandiovana ny alahady teo.

Momba ny GMB24 (Giornata Mondiale dei Bambini 2024) dia ankizy 10 sy "accompagnatori" 6 no hisolo tena antsika manokana  ka hitondra ny fanevan'i Madagasikara mandritra ny lamesa ao amin'ny Piazza San Pietro ny alahady 26 mai 2024. Hitondra na hiravaka zavatra mampiavaka ny malagasy izy ireo. Mbola hampitaina amintsika ihany hoe amin'ny firy no fahatongavan'ireo olona 16 ireo ary aiza ny toerana. Marihina moa fa natao ho antsika rehetra ny lamesa saingy ny ankizy aloha no hanana toerana mialoha izay vao isika manotrona (ka mety ho eny amin'ny via della Conciliazione angamba ny maro). Hanotrona ireo ankizy ireo isika amin'io andro alahady io ka tsy hisy lamesa any amin'ny fiangonana mahazatra antsika (San Macuto Bellarmino). Vao vita kosa ny lamesa ao amin'ny piazza san Pietro dia hifamotoana ao amin'ny "Residenza San Pietro Canisio" isika (Via dei Penitenzieri 20 - 00193 Roma) hiara-hankalaza sy hanamarika io andron'ny ankizy io.

Aoka tsy hohadinontsika ny fanamasinana ho diakra an'i Fra Fabrice (salesianina) izay hatao any Messina (Sicilia) amin'ny sabotsy 18 mai 2024 izao. Hahatsiaro azy am-bavaka isika amin'io andro io.

Tapaka fa tsy hasiana lamesa ao amiin ny fiangonana San Macuto Bellarmino amin'ny alahady 2 jiona 2024.  Sendra andro alahady amin'ity taona ity ny 2 jiona izay ankalazana ny fahaterahan'ny Repoblika italianina, ka sarotra ny hihazo ny toerana misy ny fiangonantsika amin'io fotoana io ; be ny lalana ho tapaka na mety hisy fiarian-dalana samihafa. Amin'io 2 jiona io dia hisy lamesa, hotarihin'i P. Pascal vikera jeneralin'Ambositra, sy fihaonana karakarain'ny zanaky ny diosezy mba ho fanomanana ny fankalazana faha-25 taonan'ny diosezin'Ambositra. Eny amin-dry maseran'ny "Trinitaires de Rome", via Madonna del Riposo, no hanaovana izany. Manasa antsika rehetra ny mpikarakara mba hiombona sy hiara-mivavaka amin'izy ireo.

Amin'ny sabotsy 29 juin 2024 tolakandro (16:30 ?) dia hisy fanononana ny voady farany hataon'ny maseran'ny "Trinitaires de Rome" - Madonna del Riposo - ka anasana antsika rehetra.  Nangataka fiaraha-miasa manokana amintsika ry masera amin'io andro io ho an'ny resaka litorjia. Hisy solontenan'ny Ankohonana hirotsaka mivantana amin'izany.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj