Alahady 02/06/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Tsy nisy sorona masina tany amin'ny fiangonana mahazatra antsika tamin'ny alahady 2 jiona farany teo, izay nankalazana ihany koa ny fetim-pirenena italianina (fahaterahan'ny Repoblika). Niombona tamin'ny fankalazan'ny diosezin'Ambositra ny faha-25 taonany kosa taminìio andro io. Ny Vikera jeneraly, P. Odon Pascal, no nitarika ny sorona masina tao amin-dry masera Trinitaires de Rome (via Madonna del Riposo 63, Roma), notronin'ireo pretra tonga tany an-toerana. Taorian'ny sorona masina dia nisy fifampizarana  ny fiaimpiainan'ny diosezin'Ambositra nataon'i P. Vikera jeneraly. Notohizana tamin'ny fiaraha-misakafo, fanolorana tolo-tanana ho an'ny diosezy ary korana samihafa ny fotoana.

Amin'ny alahady 9 jiona izao dia anjaran'ny pretra sy relijiozy no manomana sy manentana ny litorjia amin'ny lamesantsika any amin'ny San Macuto Bellarmino. Ny M.D.M.K.  kosa no hitady fotoana handiovana ny fiangonantsika amin'ity volana jiona 2024 ity.

Amin'io alahady 9 jiona io ihany, aorian'ny sorona masina, dia hivory ny komitin'ny Ankohonana Rasoamanarivo.

Miomana amin'ny fandraisan'ny arsevekan'i Toliary ny pallium isika, izay hatao eto Roma ny 29 jiona 2024 izao. Hampitaina amintsika tsy ho ela ny antsipirihan'ny fanotronantsika an'io arseveka io. Amin'io andro io ihany koa dia hisy fanononana voady farany hataon'ny masera Trinitaires de Rome any amin'ny paroasy via Madonna del Riposo. Manasa antsika rehetra ny amin'izany ry masera.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal, S.I.