Alahady 30 jona, alahady faha-13 mandavantaona nentanin'ny Fraternità Malgascia

Sorona Masina notarihin'i Mgr Gustavo Bombin, OssT, arsevekan'i Toliara, taorian'ny nanoloran'ny Ray Masina azy ny #Pallium maha-arseveka ny sabotsy 29 jona teny amin'ny bazilikan'i Md Piera.

Nanotrona azy tamin'izany ireo vikera jeneralin'ny arsidiosezin'i Toliara izay niara-dia taminy nankatý Roma, dia i mompera Khaleba, pretra diosezianina, ary i mompera Raphaël, A.A, niaraka tamin'ireo pretrantsika, dia ry mompera Barnabé, Daudet, Tsiory ary i aumônier.

Anjaran'ny Fikambanana Fratenità Malgascia ny nanomana sy nanentana ny litorjia.