Alahady 19/05/2024

Miarahaba antsika rehetra indray !

Môpera Faly no nitarika ny sorona masina ny alahady 19 mey teo, nankalazantsika ny fetin'ny pantekôty. Niara-nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Barnabé, Roberto (zezoita kôlômbianina), Pascal ary Joslin izay sady nitendry ny zavamaneno ihany koa. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia. Marihina fa nisy fialana hetaheta nifampizarana ny hafaliana vokatry ny Fanahy Masina taorian'ny sorona masina.

Amin'ny alahady 9 jiona 2024 izao dia anjaran'ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy indray ny manomana sy manentana ny litorjia. Ny M.D.M.K. kosa no hiandraikitra ny fandiovana ny fiangonantsika ho an'ny volana jiona 2024.

FAMPAHATSIAHIVANA :

Ny alahady 26 mey 2024, alahady ho avy izao, dia andro fankalazana ny GMB24 (Giornata Mondiale dei Bambini 2024). Eny amin'ny Piazza San Pietro isika no hamonjy lamesa ho fankalazana izany fa tsy misy lamesa ao amin'ny fiangonana mahazatra antsika (San Macuto Bellarmino) amin'io andro io. Misy ankizy 10 sy "accompagnatori" 6 no hisolo tena antsika amin'ny fomba miavaka mandritra ny sorona masina. Natao ho an'ny olona rehetra ny sorona masina amin'io ary anentanana ny rehetra mba hanotrona ireto ankizy ireto. Hiditra amin'ny fomba miavaka sy hanana anjara toerany manokana kosa ny ankizy amin'ny maha fetin'izy ireo azy. Tsy mila billets amin'io andro io fa tongava alohaloha fotsiny hilahatra. Rehetra vita ny sorona masina ao amin'ny San Pietro dia hihazo ny Residenza San Pietro Canisio isika hiara-hankalaza an'izany andro izany amin'ireo ankizy, ka eo amin'ny vavahadibe Borgo Santo Spirito 4 (00193 - Roma) no hiditra. Hisy olona hampandroso eo. Hanomana vary sy zavatra hafa ny Ankohonana ka aza mitondra vary ; zavatra hafa no entintsika toy ny hena (masaka na manta), légumes, trondro, makamba..... Hampahafantarina an'ireo ankizy sy ny accompagnatori ny rindran-damina harahin'izy ireo ao am'ny Piazza San Pietro (mety rampitso hariva).

Mbola tsy misy sorona masina koa any amin'ny San Macuto Bellarmino ny alahady 2 jiona 2024 noho ny fetin'ny fahaterahan'ny Repoblika italianina, izay sendra andro alahady amin'ity taona ity.. Hanano sarotra noho izany ny fihazoana ny afovoan-tanàna izay misy ny fiangonantsika (lalana tapaka, fivilian-dalana...). Fa amin'io andro io kosa dia misy lamesa sy fihaonana karakarain'ny zanaky ny diosezin'Ambositra mba hanomanan'izy ireo ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny diosezy-Ambositra. Môpera Pascal, vikera jeneralin'ny diosezy, no hitarika ny sorona masina amin'io andro io. Asaina daholo isika araka ny fanasana izay efa hitantsika ao amin'ny WhatsApp n'ny Ankohonana Rasoamanarivo.

Miomana amin'ny fandraisan'ny arsevekan'i Toliary ny pallium izay hatao ny 29 jiona 2024 ihany koa isika. Hampitaina amintsika tsy ho ela ny antsipirihan'ny fanotronantsika an'io arseveka io.  Amin'io andro io ihany koa dia hisy fanononana voady farany hataon'ny maseran'ny Trinitaires de Rome any amin'ny Madonna del Riposo. Manasa antsika rehetra ihany koa ry masera.

Mirary soa ny rehetra !

P. Pascal, sj