ALAHADY 13/09/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Pascal no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 13 septambra teo, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao : P.P. Fulgence, Toky, Thierry, Robin Joseph, Rémi, Eugène. Ny “Ekipa sôlida” kosa no nanentana ny litorjia ; Mrs Hervé sy Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy marika fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’i Fr Dezy sy Mr Thomas mivady.

Anjaran’ny MDMK indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny 20/09/2026, alahady faha-25 mandavantaona (A). 

Amin’ny alahady 04 oktobra 2026 dia hisy ny fandraisana an-dRabenjamina Zafindramparany ao amin’ny Fiangonana Katôlika Rômanina ; ka amin’izany ihany koa no handraisany ny komonio voalohany. Izy dia kristianina vita batisa tao amin’ny Fiangonana rahavavy FJKM ; maniry ny hiditra sy hiombona amin’ny Eglizy Katôlika Rômanina ka efa nanaraka ny dingana fiomanana amin’izany.

Amin’ny alahady 11/10/2026 dia hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo isika. Any amin’ny “Parrocchia Santa Maria di Nazareth”, via Boccea, 590, zona Casalotti, ny toerana hanaovantsika ny fankalazana. Efa misy moa ny fifampizarantsika andraikitra isaky ny vondrona na fikambanana. Hohamafisina eto aoriana kely ny antsipirihany momba ny fiomanana, ny fanomanana ny toerana ary ny ho fizotran’ny andro fankalazana. 

Misaotra antsika rehetra !

 

P. Pascal, sj.