Fandraisan'i Hasina ny Sakramentan'ny Fankaherezana tany Teramo

 

Mampita ny fisaorana ny Ankohonana iray manontolo i Hasina tamin'ny fiombonantsika am-po sy am-bavaka taminy tamin'ny nahatontosany iny dingana lehibe iray amin'ny maha- kristianina katolika iny.

Mankasitraka ihany koa anareo pretra trinitera any Teramo izy, indrindra i mompera Henri Joseph, izay nandray azy ho isan'ireo zanaky ny paroasiny ao amin'ny eglizin'i Madonna della Salute ao Villa Mosca, ka nandraisany ny Sakramentan'ny Fankaherezana tamin'ny fanosorana nataon'i Mgr Lorenzo Leuzzi, tamin'ny alahady 26 mey lasa teo. Tsy vitan'ny sakafo ara-panahy ihany fa mbola narahanareo sakafom-pianakaviana sy mofo mamy tena nanohina tokoa.

Koa am-pifaliana no andraisan-tànana sy iarahaban'ny Ankohonana an'i Hasina tamin'ny nahazoany ny herin'ny Fanahy Masina tamin'iny Sakramenta iny ary irariana azy hijoro hatramin'ny farany amin'ny finoana katolika.
Ho an'izay tsy mahalala dia isan'ny birao mitantana ny Ankohonana i Hasina, izy no mpitam-bola mpanampy nanomboka tamin'ny taona pastoraly 2023-2024.