Alahady 31/03/2024, alahadin'ny Paka

 

Fisaorana sy fankatelemana no atolotra ireo pretra rehetra nifandimby nanao ny lamesa sy nanotrona izany nandritra ny herinandro masina sy ny Paka. 
Ankasitrahana ireo rehetra nandray anjara tamin'ny feo sy ny fihetsika rehetra nanatontosana izany (ny relijiozy sy ny lahika tsy ankanavaka tonga tao).
Hisaorana ianareo fikambanana tsirairay nanomana sy nifandimby nanatontosa ny litorjia.
Tsy ho adinoina ianareo mpitendry sy mpi-servi nandray anjara mavitrika nanome aina ny fotoana rehetra nihaonantsika.
Mankasitraka sy mankatelina antsika rehetra tsy ankanavaka teo mandrakariva nandritra izany rehetra izany. 

Ny Paka no vita tsara sy nahafapo ny rehetra dia noho isika tsirairay koa dia misaotra antsika nanome sy niaina an'izay "Fitiavana Tsy Miandry Sitraka" natolontsika ho an'ny fiangonana  izay.

Ny litorjia amin'ny alahady 7 avril ho avy izao dia an'ny Ekipa Sôlida.
Toy izany koa ny fanadiovana ny trano hiangonantsika amin'ity volana ity dia anjaran'ny Ekipa Sôlida ihany 

Entintsika am-bavaka hatrany ny fahasalaman'i aumônier. Vao avy namoy ny rainy moa izy omaly 1er avril 2024 dia itompokolahy RAKOTO Jean Pierre (81 taona ). Ka mivavaka sy mirary fiononana tanteraka ho azy sy ny fianakaviany manontolo isika.