Miarahaba antsika rehetra !
P. Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 5 jolay teo, niaraka tamin’i P.P. Fulgence, Jemse, Barnabé, Rémi. Francel no niandraikitra ny raharahan'ny mpiserivy. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Mr Hervé sy prez. Silvestro no nitendry ny zavamaneno.
Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 12 jolay 2026 izao.
Alahady 26 jolay 2026 :
Hivoaka ho any Orte hamarana ny taom-pikatrohana 2025-2026 isika. Eo am-pandaminana ny pullman hiarahantsika amin’io ny Ankohonana mba hampirindra kokoa ny fandaharana ; mila fantatra anefa ny isan’ny olona handeha mialoha an’izany, ka angatahina isika rehetra izay handeha mba hanoratra anarana dieny izao any amin’ny aumônier na amin’ny iray ao anatin’ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo (message whatsapp na phone). Izay mbola tsy nampahafantatra ny ho fahatongavany amin’io fotoana io dia angatahina hatrany hanao izany. Ho an’ny voyage dia samy manomana 20€ ny tsirairay. Pullman misy “40 posti” no notadiavina. Homena antsika eo ihany ny antsipirihan’ny diantsika.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.