ALAHADY 06/09/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Natomboka tamin’ny alahady 06 septambra 2026 teo ny taom-pikatrohana vaovao 2026-2027. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao an-toerana : ry môpera  Fulgence, Fabrice, Toky, Rémi, Célestin Ankiro. Ny ZDA no nanentana ny litorjia ; Mrs Hervé sy Silvestro ary Stanislas no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Nisy fialana hetaheta niarahana taorian’ny sorona masina, sady fiarahabana an’i Mr Silvestro izay  vao  avy nankalaza ny fetin’ny tsingerintaona nahaterahany ny andro mialoha. Nisy koa ny fiarahabana ireo tera-bao tao amin’ny Ankohonana.  

Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 13 septambra izao, alahady faha-24 mandavantaona (A).

Amin’ny alahady 04 oktobra 2026 dia hisy ny fandraisana an-dRabenjamina Zafindramparany ao amin’ny Fiangonana Katôlika Rômanina ; ka amin’izany ihany koa no handraisany ny komonio voalohany. Izy dia kristianina vita batisa tao amin’ny Fiangonana rahavavy FJKM ; maniry ny hiditra sy hiombona amin’ny Eglizy Katôlika Rômanina ka efa nanaraka ny dingana fiomanana amin’izany.

Ny alahady 11 oktobra 2026 no hankalazantsika ny fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo. Mbola ho lazaina manaraka eo ny mombamomba izany. Misy ireo fizarana andraikitra isaky ny vondrona na fikambanana izay efa nampitaina tamintsika ary mbola hohamafisina amin’ny fampitam-baovao.

 

Misaotra  antsika rehetra !

 

P. Pascal, sj.