Miarahaba antsika rehetra,
Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy”, tamin’ny alalan’ireo maseran’ny Saint Paul de Chartres, no nanentana ny litorjia ny alahady 12 avrily teo ; P. Joslin sy Prez. Silvestro no nitendry ny zavamaneno. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Germain. Taorian’ny sorona masina dia nisy “rinfresco”, sady niarahabana an’i Mme Meltine izay nankalaza ny andro tsingerin-taona nahaterahany.
Amin’ny alahady 19 avrily izao dia anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny manomana sy manentana ny litorjia (misy lamesa toy ny mahazatra ho an’izay tsy afaka hamonjy fivahiniana masina). Misaotra ny ELVIR izay nandio ny fiangonana tamin’ity volana avril ity. Ho an’ny volana “mai” indray dia ny “Fraternità” no hitady fotoana hanaovan’izy ireo izany.
Ampahatsiarovina sy hamafisina hatrany ny fivahiniana masina marialy izay hataontsika ny sabotsy 18 avrily izao : miainga ao Circo Massimo (amin’ny sasakalina), mandeha makeny amin’ny Santuario del Divino Amore. Ny lamesa eny amin’ny Divino Amore, tarihin’ny “Cardinale Vicario”, dia amin’ny 5 ora maraina (alahady 19/04).
Amin’io sabotsy 18 avrily io dia hihaona ao amin’ny Fiangonana San Francesco Saverio – via del Caravita, 7 – isika izay hamonjy ny fivahianiana masina (tsy lavitra avy eo amin’ny fiangonantsika). Amin’ny 7 hariva ny fotoanantsika ao : fivoriana handaminana ny andraikitra hiantsorohantsika mandritra ny fivahiniana masina ; hisy fiarahana misakafo koa ao Caravita alohan’ny hiaingana ka samy mitondra laoka fa ny vary hisy any an-toerana.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra,
P. Pascal, sj.