ALAHADY 01/11/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Fankalazana manetriketrika ny olomasina rehetra ny alahady 1 nôvambra 2026 teo ; P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Eugène. Ny ZDA kosa no nanentana ny litorjia ; Mr Silvestro sy Stanislas no nitendry ny zavamaneno. 

Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 8 nôvambra izao, alahady faha-32 mandavantaona (A).

Amin’io alahady 8 nôvambra io ihany koa no hanaovantsika ny fifidianana Biraon’ny Ankohonana aorian’ny lamesa. Manasa antsika ho tonga maro hanantanteraka izany adidy masina izany. Koa satria ho lavalava ny fotoana dia asaina isika hivimbina sakafo maivana voatsirambin’ny tanana. Mbola manana ity herinandro ity isika mpifidy handinihana ho an’izay mahasoa ny Ankohonana Rasoamanarivo ; ny alahady izao kosa dia efa fandatsaham-bato ho an’ny vokatry ny “fandinihanao”. Mbola manana herinandro ihany koa isika rehetra hamolavolana toe-po sy toe-panahy hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina amin’ny fifidianana, ka hankatò sy hiombona ary hankahery izay olona ho voafidy eo.

Mivonona amin’ny fihaonan’ny tanoran’i Lazio amin’ny Papa isika na dia mbola eo am-piandrasana ny antsipiriham-baovao aza. Izany moa dia hatao ny 21 novambra 2026.

Amin’ny alahady 15 nôvambra 2026 izao dia handray ny sakramentan’ny Batemy i Samat Rémi Ruan, zanak’i Fanio Gasparin Samat sy Tiandreny Elodie Herla Gladys. Amin’ny lamesa alahady fanaontsika ao San Macuto-Bellarmino no hanaovana izany, amin’ny 9:45 (Alahady faha-33 mandavantaona A). Manasa antsika ho tonga hiombom-bavaka amin’izy ireo mandritra izany lamesa izany.

Mirary soa ho antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.