Taratasy ho an'i Madagasikara

 

Any ianao ry Gasikara malala !

Hitsingerina atsy ho atsy ny vanim-potoana nahazoanao ny fahaleovantena. Mahatsiaro manokana anao aho ka manoratra ity taratasy ity aminao.

Feno 63 taona ny fahaleovantenanao satria ny 26 jiona 1960 no nahazoanao izany. Miarahaba anao aho tratry ny fetinao. Raha jerena io 63 io dia tsy taonan'ny fahazazana na taonan'ny fialantsakana tia andrakandrana ; tsy taonan'ny fahatanorana anjakan'ny hery izay mety ho tonga hatrany amin'ny fihetraketrahana ; nefa koa mbola tsy tonga any amin'ny fahanterana ho zary fiankin-doha lava amin'ny hafa na amin'ny matanjaka. Ny taonan'ny fahaleovantenanao dia azo lazaina hoe taonan'ny hafenoana : tokony ho ao aminao daholo ny hery, traikefa, fandanjalanjana, fahaizana...sns. Feno ny fepetra hahatomombana ny fihariana ao aminao ka tokony hanana ny ampy amin'ny lafiny maro ianao. 63 taona ny fahaleovantenanao ary tsy misy izay tsy anananao. Iza no vahiny tsy mitsiriritra ny fanananao, na ambony na ambanin'ny tany ? Indrisy fa izahay tompony anefa toa tsy mahita an'izany ! Tokony efa ho marin-toerana noho izany ianao ary tokony efa hisitraka ny atao hoe fandrosoana. Tokony efa ho sopitra ianao ka tsy handohalika intsony. Madagasikara afaka ! Fa afaka tokoa ve ianao ry Gasikara ? Eny, afaka no iheverana anao ary izay no aseho amin'ny manodidina anao. Indrisy fa mety hotafintohina ianao raha ilazako hoe mbola izahay no tompon'ny teny farany amin'ny tena fahaleovantenanao. Mila anay hanaiky sy hiaro anao ianao vao ho tanteraka io fahaleovantena io.

Ry Gasikara ô, fantatray fa mila anay tokoa ianao mba ho tena afaka sy handroso. Mialatsiny miala fondro anefa fa mbola tsy laharampahamehana ho anay aloha amin'izao ny hahazoanao ny tena fahaleovantena ka hisitrahanao ny fandrosoana. Mbola maro ny zavatra manahirana sy laharampahamehana ho anay na dia hitanay fa mifanohitra na mifandàka amin'ny fandrosoana sy fahamarinan-toeranao aza izany. Mba omeo fotoana kely izahay ary mba mandefera kely aloha. Mbola tsy vonona rahateo koa izahay ny hiroso amin'ny fandrosoanao. Ataoko anefa fa tsy hiandry ny taona 3000 kosa izahay vao ho tapa-kevitra ny amin'izany. Mahareta ry Gasikara !

Nandritra an'izay 63 taona izay dia niova Repoblika in-4 ianao. Natombokao tamin'ny Lalampanorenan'ny Repoblika voalohany izany, Lalampanorenana nivoaka 29 avrily 1959 fa nasiam-panitsiana hisantaranao ny fahaleovantenanao ny 2 jolay 1960. Avy eo dia niroso tamin'ny faharoa ianao : Lalampanorenan'ny Repoblika Demokratika Malagasy no nahalalanay azy ; navoakanao tamin'ny 31 desambra 1975. Folo taona mahery taorian'izany dia niroso tany amin'ny Repoblika fahatelo indray ianao tamin'ny alalan'ny famoahanao ny Lalampanorenan'ny 1992. Nasehonao tamin'ny endrika samihafa io Lalampanorenana io : 1995, 1998, 2007. Farany dia niditra amin'ny Repoblika fahefatra ianao tamin'ny alalan'ny Lalampanorenana nivoaka tamin'ny taona 2010. Nisamboaravoara ihany ny dianao ka tsy azon'ny tso-po, izany tokoa angaha no atao hoe fisaka ny rariny ! 

Maro ny tolona natao mba hikatsahana ny fiadananao sy ny fandrosoanao hono. Santionany sy nisongadina tamin'izany ny nitranga tamin'ny 1972. Mbola tsy teraka aho tamin'izany, fa nalaza be io tolona io ka mba henoko ihany. Natrehinao koa ny tolona 1991 izay nampihiratra ny masoko tamin'izany hoe hay tsy mahita hosarangotina ny olona aty ambany rehefa tifirina avy eny ambony. Tsy hotantarainao amiko ny nitranga taminao tamin'ny 2002 fa ny masoko no nahita, ny tenako no niatrika. Nifandroritana ianao ary samy nilaza fa manana ny marina tamin'izany, nefa anie ka tsy miparitaka ny marina e ! Mety tsy tany amin'izay nilaza ho ara-dalàna izy no tsy tany amin'ireo nihizingizina ho ara-drariny ihany koa.

Nisedra tolona be ianao nefa dia mbola samy eto ihany isika, mbola lavitra ny fandrosoana sy ny tena fahaleovantena. Fa inona no tsy nety na banga tamin'ny tolona maro izay natao ? Marina fa maro aminay no nandeha am-pahatsorana sy am-pahamendrehana teo am-pitolomana ho anao, fa tsy vitsy taminay ihany koa no nitolona ho an'ny tombontsoa keliny fa tsy ho anao. Tsy ianao no laharampahamehana ho an'ny tolona ataonay, fa fitaovana hanamarinanay ny tombontsoa manokana ho anay. Tombontsoa manokana lasa tanjonay eo amin'ny fiainana ka zary anaovanay fitaovana anao, eny fa na dia hivarotanay anao aza izany. Fantatray izany fa tsy mety ary mandainga izahay mihirahira ny fitiavana anao, saingy ataonay ihany ary mbola tsy tapa-kevitra ny hiova amin'izany lalana izany izahay.

Azafady re ry Gasikara ô ! Omeo fotoana kely izahay fa mbola hitodika aminao ihany rehefa tonga saina na voadona amin'ny ataonay. Amin'izao aloha mba avelao re izahay hampiasa ny anaranao, hitanisa sy hihirahira ny fitiavana anao, hisehoseho amin'ny fanompoana anao, na dia fantatrao aza fa tsy izay velively ny ao an-tsainay sy ao am-ponay, fa tsy maintsy ataonay izany mba hambaboana ny manodidina anay ka hahatongavanay amin'ny tanjona kendrenay. Tsy inona izany fa ny fitadiavanay ny ho lasa ambony noho ny hafa : voninahitra, fahefana, harena. Tsy hanao soa anao velively no kendrenay rehefa tehisongadina izahay satria ny fanaovan-tsoa dia tsy mba ifandroritana fa ifandaminana, tsy izahozahoana fa ifarimboanana, tsy fifosana ny hafa fa fahatsorana, tsy ifanilihana na ifampiandaniana fa ifanampiana, iombonana ary ihavanana ; ny fanaovan-tsoa dia tsy ankahalana fa itiavana ary indrindra indrindra tsy ifamonoana fa ifamelomana. Hainay daholo izany rehetra izany fa mbola tsy voatohitray ny fitiavantenanay.

Hamaranako ny taratasiko aminao dia izao : Mahereza ianao ry Gasikara ary manàna faharetana. Averiko eto indray fa izahay no tompon'ny teny farany amin'ny tena fahaleovantenanao, ka enga anie hahita ny mazava izahay amin'ny fifidianana ny solontenanay hitarika ny rehetra amin'ny fampandrosoana anao. Tsy mampanantena anao aho hoe hotantanan'Anjely ianao atsy ho atsy, fa mety ny teo ihany no ho eo na ny eo ihany no mbola ho eo, na koa mety hiantoraka amin'izay mbola tsy fantatra izahay fa izahay Malagasy moa liam-bao izay ihany. Fa kosa, enga anie mba hahita olona hatahotra ny hamadika sy haniratsira anao. Ny tenako moa dia tsy manadino anao na dia aty lavitra aty aza ary manantena ny hihaona aminao tsy ho ela.

Roger Pascal Andriamitantsoa