Fanombohana ny taona pastoraly 2023-2024

Faly miarahaba antsika rehetra,

Araka ny efa fantatsika dia nofaranana tamin'ny alahady 30 jolay 2023 teo ny taona pastoraly 2022-2023. Tsy misy noho izany ny lamesa fanaontsika isaky ny alahady ao San Macuto mandritra ity volana aogositra 2023 ity. Maro amintsika no tsy eto Roma fa makamaka aina any ivelany, na any amin'ny firenen-kafa. Tsy vitsy ihany koa ireo lasa manao fialan-tsasatra sy mamangy fianakaviana any Madagasikara. Mirary soa antsika rehetra any amin'izay misy antsika any avy. Hahazo hery, tanjaka ho entina miatrika ny andavanandrom-piainana indray rehefa miverina, hitafy zotom-po hiatrehana ny asa aman-draharaha.

Ny alahady 3 septambra 2023 isika no hanomboka ny taona pastoraly 2023-2024 : amin'ny 9:30, araka ny mahazatra, ny fanombohan'ny sorona masina. Miomana sahady isika amin'ny fiatrehana ny fetin'ny Ankohonana Rasoamanarivo. Vao avy nankalaza ny 21 aogositra fetin'ny Olontsamba Rasoamanarivo isika. Fa araka ny notapahina, izay efa fantatsika, dia hankalazaina amin'ny alahady 8 oktobra 2023 ny fety, fetin'ny Ankohonantsika. Mila toerana malalaka ho an'ny fety isika ka mbola eo am-panapahana ny toerana hanaovana azy, izay hiezahana mba ho toerana tsy manano sarotra amin'ny resaka bus na metro.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj