Alahady 4 oktobra, alahady faha-28 mandavantaona nentanin'i ny Zanaka Diosezin' Ambanja

I aumônier no nitarika ny Sorona Masina izay niarahany nanolotra tamin-dr'i mompera Eugène, Fulgence, Toky, Jaovelo, ...,Rémi ary Joslin. Ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Noraisina ho zanaky ny Fiangonana Katolika Apostolika Romanina tamin'io andro io ihany koa i Rabenjamina Zafindramparany, ka tamin’izany ihany koa no nandraisany ny “komonio voalohany”. Izy dia kristianina vita batisa tao amin’ny Fiangonana rahavavy FJKM ka efa nahavita ny dingana fiomanana amin’izany firosoana ho katôlika izany. Faly mandray azy tonga soa eo anivontsika amin'ny fomba ofisialy isika.