Alahady 9 jona, alahady faha-10 mandavantaona nentanin'ny Fiombonan'ny Pretra sy ny Relijiozy

 

Indroa niantoana moa no tsisy Sorona Masina tao amin'ny Ankohonana satria ny alahady 26 mey isika teny amin'ny Kianjan'i Md Piera niaraka tamin'ireo kilongantsika, nankalaza ny Giornata Mondiale dei Bambini, ary ny alahady 2 jona kosa dia  samy tany amin'ny paroasiny satria nanahirana ny fahatongavana tao afovoan-tanàna noho ny matso lehibe nankalazana ny fetim-pirenena, ka nampihidy ny làlana rehetra manodidina.

I mompera Tojo no nitarika ny Sorona Masina tamin'ity alahady 9 jona ity, izay niarahany nanolotra tamin' i aumônier, ry mompera Barnabé, Frésie, Etienne ary Abel. Ny Fiombonan'ny Pretra sy ny Relijiozy kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.