Fandraisan'i Mgr Jean de Dieu Raoelison ny Pallium teny amin'ny Vatican - tapany fahatelo

 

Ny alakamisy 29 jona 2023 teo no nandray ny Pallium manamarika ny maha-arseveka sy mpiandry ondry teny amin'ny bazilikan'i Md Piera ireo arseveka 32 mirahalahy vaovao ka anisan'izany i Mgr Jean de Dieu Raoelison.

Ny Papa Fransoa no nitarika ny Sorona Masina Lehibe sy nanamasina, nitso-drano ireo Pallium. Tsy napetraka teny an-tsorok'ireo arseveka toy ny fanao taloha moa ny Pallium fa natolotra azy ireo rehefa vita ny Sorona Masina. Tena mbola reraka rahateo ny Papa Ray Masina noho izy vao avy nivoaka ny hopitaly vao tsy ela izay.

Taorian'izany dia niaraka noraisin'ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo tao amin'ny Casa Canisio, ao amin'ny Casa Generalizia an'ny Fianakaviamben'ny Zezoita ny arseveka vaovao. Mankasitraka azy indrindra  tamin'ny nahafoizany ny andro anio manontolo niarahany nisakafo, nikorana ary nitafatafa tamin'ny Ankohonana. Rary soa be ho azy amin'ny adidy miha-mafonja hatrany hiantsorohany manomboka eto indray.