Sabotsy 4 sy alahady 5 oktobra, nankalazana ny Jobilin'ny Mpifindra Monina

Indroa miantoana ny fankalazana ny Jobilin'ny Mpifindra monina, taona 2025 ity.

- Ny sabotsy 4 oktobra dia nisy ny fihaonana tamin'i Papa Léon XIV teo amin'ny kianjan'i Md Piera sy ny fidirana ny Varavarana Masina.
- Ny alahady 5 oktobra indray dia nanomboka tamin'ny lamesa notarihan'ny Papa Ray Masina, teo amin'ny kianjan'i Md Piera ihany, ny andro natokana ho an'ny Mpifindra monina ity ary nitohy tamin’ny fampisehoana ara-kolontsaina ny tolakandro tao amin'ny zaridainan'ny Castel Sant' Angelo.

Fankasitrahana no atolotra antsika rehetra izay nahafoy fotoana, nifarimbona nanatontosana an'iny adidy iray iny, na ireo nandray anjara teny ambony lampihazo na ireo tonga nanotrona.