Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ny Mpifindra-monina sy ny Mpitsoa-ponenana 2016.

 

 

Androany 17 janoary 2016 teny amin'ny Vatican ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ny Mpifindra-monina sy ny Mpitsoa-ponenana. Somary nanaikitra ny hatsiaka saingy nafana daholo tany anaty tany rehefa hoe hitondra avo ilay faneva fotsy-mena-maitso.

Isaorana indrindra ny rehetra tao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma sy ny Ankohonana Louis Raphaël Rafiringa any Naples, na relijiozy na lahika, tonga maromaro nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny Angelus-n'ny Ray Masina sy nandritra ny Sorona Masina lehibe natao tao amin'ny bazilikan'i Md Piera, ary tamin'ny fandraisana fitenenana tamin'ny fahitalavitra.

Nampientam-po tokoa ny nahatsapa fa eto an-toerana ka nahatratra soa ny Taon-jobily ary afaka nandingana ny Varavarana Masina izay nosokafana noho izany.

 

 

Ny sary : Giornata Migrantes