Fametrahana ny aumônier tamin'ny fomba ofisialy.

 

 

 

Nisy fiovana tamin'ny fotoana farany moa ny fandaharam-potoana ka ny alahady 5 novambra teo vao tanteraka ny fametrahana ny aumônier tamin'ny fomba ofisialy ary notohizana hatrany ho anatin'ny fankalazana ny fahafolo taona nijoroan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. Natao teny amin’ny San Gregorio Magno tetsy Magliana izany ka isaorantsika Andriamanitra niara-nanatontosa izany tamintsika. Asany tokoa no notontosaina ka mankahery fo ny fahatsapana ny fitantanany hatrany am-panomanana ka mandra-pahavitany. Mandrisika hiankim-po aminy ny toy ireny.

Maro tokoa manko ny kristianina na ny malagasy na ny italiana, ary samy faly avokoa noho ny fanaovana an’iny fiaraha-mivavaka nitohy tamin’ny fiaraha-misakafo sy korana iny. Ry zareo tompon-trano aza moa nangataka mba hatao matetitetika ny toy ireny.

Nangatahan’ny Parroco Don Giampiero hotarihin’ny Aumônier vaovao mantsy ny Sorona Masina, notronin’i Don PierPaolo, talen'ny Migrantes sy ny Provansialin’ny Zezoita avy any Madagasikara niaraka tamin’ireo pretra efa ho am-polony. Nirindra tsara koa ny fanentanana niarahan’ny Kristianina italianina sy malagasy ka naredonana ny hira fiderana an’Andriamanitra. Hita fa « universelle » tokoa ny Fiangonana. Hita soritra ho azy ireo ny maha-andron'ny misiona ny 5 novambra 2017. Isika kosa misokatra sy mivelatra amin’ny hafa araka ny irin’ny Papa.

Nampiombom-po koa ny nofon-kena mitam-pihavanana tamin’ny fiaraha-misakafo. « Izay vatsy iray aina » hoy ny fahendren-drazantsika, ka tolorana fankasitrahana mitafotafo ireo rehetra « niketrika » ny fahatontosana izany. Ny adidy hono tsy an’olon-dratsy ka hohambinin’Andriamanitra ianareo rehetra fa tena nahafa-po tokoa.

Ny koranam-pifaliana mampiavaka antsika (nitsiky hono anie Andriamanitra tamin’ny nanao antsika Malagasy e !), dia maneho ny kolontsaintsika malagasy liam-pihavanana sy heni-kafaliana lalandava ka ankasitrahana ny tompon’andraikitra. Tany tsara itsirian’ny Evanjely Vaovao Mahafaly ireny ka kolokolointsika tsara hatrany.

Isaorana sy anehoana fankasitrahana ary noho izany isika rehetra tsy an-kanavaka : na ny tsy afaka nanatrika ka nitondra am-bavaka sy niombom-po ; na ny avy lavitra sy ny avy eto an-toerana avy amin’ny finoana samihafa tonga nanotrona sy niara-paly ; na ny nandray anjara mavitrika ka nisahirana nahatontosana iny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-misakafo ary fiaraha-mikorana iny, dia samy anehoana fitiavana sy fankatelemana eto avokoa. Na ny pretra niara-nisorona, na ny mpahandro niara-nisorona, na mpanan-kanto niara-namorona, dia mba samy ho valian’Andriamanitra soa safomorona sy sesehena amin’izay rehetra vitantsika. Mety tsy ho feno araka ny tokony ho izy izay voambara eto fa dia ialan-tsiny raha misy an'izany fa ny tena moa voafetra ihany. 

Hiroborobo hatrany anie ny fiombonantsika ho voninahitr'Andriamanitra !

 

P. Athanase

 

 

Ny sary sy horonana dia azonao jerena : ATO