Vaovao

Festa dei Popoli 2014

Vita soa aman-tsara indray ny Festa dei Popoli 2014 izay fety nokarakarain'ny Misionera Scalabriniani niaraka tamin'ny Caritas sy Migrantes eto amin'ny diosezin'i Roma. Fety izay natao indrindra ho an'ireo ankohonana mpiavy eto Roma mba hifampizaràna kolotsaina sy fomba, hifankahafantarana sy hifandraisana.

Vaovaom-piangonana vitsivitsy

 

- ny alahady 16 martsa : ho avy hamangy antsika eto amin'ny Ankohonana ny mpiandraikitra ny Festa dei Popoli, ka ho fanomanana izany dia ho avy haka sary antsika malagasy ato am-piangonana izy ireo, hampahalala antsika bebe kokoa. Entanina isika ary mba hitondra sy haneho ny maha-malagasy antsika manokana : manaova fitafiana malagasy ary mitondra fitaovana maneho ny maha-malagasy antsika.

Festa dei Popoli 2010.

 

Tonga amin'ny andiany faha-19 izao ny "Festa dei Popoli" izay nomena ny lohahevitra hoe "Roma, una tenda per l'incontro". Efa efa-taona izao no nandraisan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo anjara tamin'izany, nisolo tena an'i Madagasikara iray manontolo.

Dia eo ambany alokaloky ny bazilika San Giovanni in Laterano indray izany isika mianakavy ny alahady 16 mey 2010 izao no hifamotoana amin'ireo vahoaka marobe avy amin'ny vazan-tany efatra hankalaza ity andiany 2010 ity.

Toa izao ny fandaharam- potoana :

Fiarahabana sy fialan-tsiny.

 

Ny birao sy ny tompon'andraikitra rehetra ato amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma dia faly manolotra ny fiarahabana sy faly mifankahita soa amintsika rehetra indray eto amin'ity  fitaovan-tserasera iray ity.

Ialana tsiny betsaka tokoa raha nisy fiatoana kely izy ity tao ho ao noho ny antony teknika. Voaarina soa amantsara izany olana izany ankehitriny ka dia mahafaly ny hitafatafa, hifanakalo hevitra ary hifampita vaovao aminareo eto indray.

Fankalazana ny faha-25 taonan'ny GMG/JMJ

 
Ny alakamisy 25 martsa izao dia hihaona amin'ny tanora rehetra ny Papa Benedetto XVI, noho ny fahatratraran'ny faha 25 taona ny G.M.G (Giornata Mondiale della Gioventù), izay atao eo amin'ny PIAZZA SAN PIETRO amin'ny fito ora sy sasany hariva (19h30).
 
Ny lohahevitra hodinihina amin'izany dia ny hoe : "maestro buono, che cosa devo fare per avere in eredità la vita eterna"  (Marco 10, 17)
 

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fankalazana ny 29 martsa.

 

Miarahaba ny rehetra,

ho fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny 29 Mars 1947, izay daty manan-tantara eo amin'ny firenentsika, dia hisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hatao ao amin'ny  fiangonana protestanta valdezy,  Via IV Novembre 107, ny alahady 28 martsa 2010 amin'ny efatra ora tolakandro.
Aorian'izany dia hisy fiaraha-miala hetaheta handraisana sy hisaorana antsika mianakavy.
Manantena ny fahatongavan'ny maro ary manolotra fisaorana.