Festa dei Popoli 2014

Vita soa aman-tsara indray ny Festa dei Popoli 2014 izay fety nokarakarain'ny Misionera Scalabriniani niaraka tamin'ny Caritas sy Migrantes eto amin'ny diosezin'i Roma. Fety izay natao indrindra ho an'ireo ankohonana mpiavy eto Roma mba hifampizaràna kolotsaina sy fomba, hifankahafantarana sy hifandraisana.

Nandray anjara tamin'izany ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo tamin'ny alalan'ny fampirantiana, ny famakiana ny ranom-bavaka tamin'ny teny malagasy ary tamin'ny alalan'ny dihy. Marihina fa isan-taona dia anisan'ireo ankohonana asaina handray anjara hatrany ny Ankohonana Katolika Victoire Rasoamanarivo, rehefa misy kosa ny fotoana tsy ahafahany manao izany dia omena ireo Associations sy fikambanana misy eto Roma ny fitantanana ny tranoheva. 

Koa izany indrindra no isaorana antsika rehetra satria tsy nitsanga-menatra tokoa ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Rome tamin'ity taona ity fa afaka nijoro na nandritra ny litorjia izany na nandritra ny fampirantiana na nandritra ny seho an-tsehatra. Misaotra an'ireo izay nifanampy tamin'ny fikarakarana rehetra, mialoha, nandritra, ary taorian'ny fotoana. Misaotra ireo fikambanana nampindrana fitaovana izay naseho vahoaka teny. Misaotra ireo izay nanomana ny sakafo nifampizaràna. Misaotra ireo izay nikarakara ny teknika sy ny zava-maneno nanaingo ny tranohevantsika. 

Ny faniriana dia mba ho tsaratsara kokoa sy ho voaomana noho iny indray ny fandraisan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo ny Festa dei Popoli amin'ny herintaona. Mila fanomanana mialoha sy finiavana be be kokoa hatrany izany ka manentana ny tsirairay sy ny vondrona ao anatin'ny Ankohonana sahady.

        

Tohin'ny sary: http://www.malagasy.it/tahirintsary/festa-dei-popoli-2014