Fankalazana ny faha-25 taonan'ny GMG/JMJ

 
Ny alakamisy 25 martsa izao dia hihaona amin'ny tanora rehetra ny Papa Benedetto XVI, noho ny fahatratraran'ny faha 25 taona ny G.M.G (Giornata Mondiale della Gioventù), izay atao eo amin'ny PIAZZA SAN PIETRO amin'ny fito ora sy sasany hariva (19h30).
 
Ny lohahevitra hodinihina amin'izany dia ny hoe : "maestro buono, che cosa devo fare per avere in eredità la vita eterna"  (Marco 10, 17)
 
Ny tapakila hidirana ho an'izay maniry ny ho avy dia omena any am-piangonana ny alahady 21 martsa izao (lamesa tsotra isan-kalahady amin'ny 10 ora maraina), na antsoy i Mr Fanja n° 3489216135.