Fetim-piangonana Katolika 26 oct 2014

Tanteraka soa amantsara ny fetim-piangonana izay natao ny 26 oktobra 2014, fety natao hahatsiarovana ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo izay mpiaro ny ankohonana Katolika eto Roma. Tao amin'ny Paroasin'i Mompera Alain teny amin'ny Santa Maria della Visitazione, via Crispolti 142, no nanaovana izany. Nanomboka tamin'ny 9 ora sy sasany maraina ny lamesa tamin'ny teny malagasy manontolo ary namonjy ny trano malalaka an'ny paroasy ihany rehefa avy eo niara-nisakafo sy nikoràna. Ny sary vitsivitsy dia hita ao amin'ny tahirin-tsary ato.