Vaovaom-piangonana vitsivitsy

 

- ny alahady 16 martsa : ho avy hamangy antsika eto amin'ny Ankohonana ny mpiandraikitra ny Festa dei Popoli, ka ho fanomanana izany dia ho avy haka sary antsika malagasy ato am-piangonana izy ireo, hampahalala antsika bebe kokoa. Entanina isika ary mba hitondra sy haneho ny maha-malagasy antsika manokana : manaova fitafiana malagasy ary mitondra fitaovana maneho ny maha-malagasy antsika.

- ny alahady 30 martsa : hihaonantsika amin'ireo Evekantsika izay ho avy eto Roma hanao ny "visite ad limina" eny amin'ny Ray Masina ka eny amin'ny paroasin'i P.Alain Daniel Velomaroson no hanaovana izany.

- ny alahady 6 aprily : mandritra ny lamesa maraina no hifidianana/hanavaozana ny Komity koa manainga antsika mba ho avy daholo. 

- ny alahady 13 aprily : fety entanin'ny Antoko mpihiran'ny Ankohonana.

- ny alatsinainy 21 aprily, Alatsinain'ny Paka (Pasquetta) : tsy iandraiketan'ny Ankohonana ny fikarakarana azy amin'ity. Efa misy fanasana maromao ihany angamba voaraintsika any ka dia samy miezaka mamaly izay mety amin'ny tsirairay na fivondronana.