Fiarahabana sy fialan-tsiny.

 

Ny birao sy ny tompon'andraikitra rehetra ato amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma dia faly manolotra ny fiarahabana sy faly mifankahita soa amintsika rehetra indray eto amin'ity  fitaovan-tserasera iray ity.

Ialana tsiny betsaka tokoa raha nisy fiatoana kely izy ity tao ho ao noho ny antony teknika. Voaarina soa amantsara izany olana izany ankehitriny ka dia mahafaly ny hitafatafa, hifanakalo hevitra ary hifampita vaovao aminareo eto indray.

Dia hitondra soa sy fanambinana hatrany ho an'ny tsirairay avy anie ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiahy ny paroasintsika.