Miarahaba antsika rehetra !
P. Germain Randriamilamina no nitarika ny sorona masina ny alahady 7 jiona, niaraka tamin’ireo pretra vitsivitsy. Nankalazaintsika manokana ny fetin’ny “Vatana aman-drà Masin’i Kristy” ka ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia. P. Joslin sy Mr Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fandraisana anjara samihafa sy tamin’ny fiarahana nivavaka.
Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 14 jiona izao. Ny ZDA kosa no hitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fanadiovana ny fiangonantsika, san Macuto-Bellarmino, ho an’ity volana jiona ity.
Ireo fanasana voaraintsika (ka efa hitantsika any amin’ny whatsApp Ankohonana) :
- Sabotsy 27 jiona 2026 : amin’ny 19:00 ny sorona masina hanaovan’i Sr Angeline di Santa Teresa del Bambino Gesù sy Sr Angelinà di Cristo Re ny voady mandrakizay. Manasa antsika amin’izany ny “Congregazione delle Suore della Santissima Trinità” eto Roma. Ao amin’ny “Parrocchia di S. Pio V”, Largo San Pio V, 3 – 00165 Roma, no toerana hanaovana ny sorona masina. Mandray anjara amin’ny litorjia sy hira ny Ankohonana Rasoamanarivo ka araho ao amin’ny whatsApp Ankohonana ny lamina sy fandaharana amin’ny fiomanana amin’izany.
- Sabotsy 04 jolay 2026 : amin’ny 10:30 ny sorona masina hanamasinana ho pretra an’i Diakra Andry Zo ao amin’ny “Famiglia dei Discepoli”. Any Amatrice ny toerana, “presso il Palazzetto dello Sport di Amatrice (RI)”. Ny ampitson’io andro io, amin’ny 11:00, dia hanao ny lamesa voalohany ao amin’ny Auditorium Amatrice i môpera Andry Zo. Efa any amin’ny whatsApp ny andinindininy momba izany. Mety maromaro moa ny mikasa handeha amin’io ka tsara angamba ny mifanao fotoana sy miara-dàlana.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj.