Miarahaba antsika rehetra,
Môpera Angelo (Kennedy) no nitarika ny sorona masina ny alahady 21 jiona teo ; niaraka nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Fulgence, Tsikivy Augustin, Eugène, Jean Chrys ary Pascal. Ny ekipan’ny ELVIR no nanentana ny litorjia ; P. Joslin sy Mr Silvestro no nitendry ny zavamaneno.
Anjaran’ny “Zanaky ny Diosezin’Ambanja” (ZDA) ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 28 jiona 2026. Mbola anjaran’ny ZDA ihany koa ny mitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fandiovana ny fiangonantsika ho an’ity volana jiona 2026 ity.
Ireo fanasana voaraintsika (ka efa hitantsika any amin’ny whatsApp Ankohonana) :
- Sabotsy 27 jiona 2026 : amin’ny 10:30 maraina ny sorona masina fanamasinana ho diakra an’i Tolala Amedé (Salesianin’i Don Bosco) ao amin’ny Chiesa di Santa Maria della Speranza, via Francesco Cocco Ortu, 19, Roma (Piazza dell’Ateneo Salesiano).
- Sabotsy 27 jiona 2026 : amin’ny 19:00 ny sorona masina hanaovan’i Sr Angeline di Santa Teresa del Bambino Gesù sy Sr Angelinà di Cristo Re ny voady mandrakizay. Manasa antsika amin’izany ny “Congregazione delle Suore della Santissima Trinità” eto Roma. Ao amin’ny “Parrocchia di S. Pio V”, Largo San Pio V, 3 – 00165 Roma, no toerana hanaovana ny sorona masina. Mandray anjara amin’ny litorjia sy hira ny Ankohonana Rasoamanarivo ka araho ao amin’ny whatsApp Ankohonana ny lamina sy fandaharana amin’ny fiomanana amin’izany.
- Alahady 28 jiona 2026 : Fankalazana fetim-pirenena malagasy any amin’ny ambasady (via Ricardo Zandonai, 84/a, 00194 Roma). Manomboka amin’n y 16:00 ; amin’ny 15:30 ny fisokafana sy fandraisana. Samy mivimbina zavatra hanaovam-pety…Efa hitantsika ao amin’ny WhatsApp Ankohonana ny fanasana sy ny momba izany.
- Sabotsy 04 jolay 2026 : amin’ny 10:30 ny sorona masina hanamasinana ho pretra an’i Diakra Andry Zo ao amin’ny “Famiglia dei Discepoli”. Any Amatrice ny toerana, “presso il Palazzetto dello Sport di Amatrice (RI)”. Ny ampitson’io andro io, amin’ny 11:00, dia hanao ny lamesa voalohany ao amin’ny Auditorium Amatrice i môpera Andry Zo. Efa any amin’ny whatsApp ny andinindininy momba izany. Mety maromaro moa ny mikasa handeha amin’io ka tsara angamba ny mifanao fotoana sy miara-dàlana.
- Alahady 26 jolay 2026 : fivoahana any Orte ho famaranana ny taom-pikatrohana 2025-2026. Mikasa hitady pullman hiarahantsika amin’io ny Ankohonana mba hampirindra kokoa ny fandaharana ; mila fantatra anefa ny isan’ny olona handeha mialoha an’izany, ka angatahina isika rehetra izay handeha mba hanoratra anarana dieny izao any amin’ny aumônier na amin’ny iray ao anatin’ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo (message whatsapp na phone).
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj.