Miarahaba antsika rehetra,
P. Théophile no nitarika ny sorona masina ny alahady 12 jolay 2026 teo, niaraka tamin-dry môpera Jemse, Mitsinjo, Joslin ary Rémi. Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prez. Silvestro no nitendry ny zavamaneno.
Anjaran’ny MDMK indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia ho an’ny alahady 19 jolay 2026 izao.
Alahady 26 jolay 2026 :
Hivoaka ho any Orte hamarana ny taom-pikatrohana 2025-2026 isika. Hiaraka, mandroso sy miverina, amin’ny pullman iray misy toerana 40 isika. Raha mbola misy tsy nampandre nefa te handeha amin’izany dia fotoana hanaovana izany izao. Ho an’ny “voyage” dia samy manomana 20€ ny tsirairay. Amin’ny 8:30 maraina, eny amin’ny Piazzale dei Partigiani (00154 Roma), ny fotoana hiaingan’ny pullman hitondra antsika amin’io alahady 26 jolay 2026 io. Ny fodiana avy any indray dia amin’ny 5 ora hariva no miainga hitodi-doha hiverina aty Roma ny pullman. Iangaviana isika mba samy ho mari-potoana daholo.
Alahady 11 ôktôbra 2026 :
Araka ny fantatsika dia amin’ny 21 aogositra no fankalazan’ny Fiangonana manokana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo. Fotoanan’ny fiparitahantsika anefa ny volana aogositra ka amin’ny alahady 11 ôktôbra 2026 no hatokana hankalazantsika ny fetin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo (Italia). Miomakomana dieny izao isika fa ny antsipiriham-baovao momba izany dia mbola hampitaina amintsika eny ihany.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.