Miarahaba antsika rehetra !
Nankalaza ny alahady fahefatra amin’ny Fiaviana (A) isika ny 21 desambra teo. Nitarika ny sorona masina i P. Pascal ; niaraka taminy tao ry môpera Fulgence, Abel, Joslin ary Rémi. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia. P. Joslin, Mr Silvestro ary Mme Odile no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Efa nandio ny fiangonantsika ny ZDA tamin’ity volana desambra ity ka isaorana azy ireo. Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray no mitady fotoana hanaovan’izy ireo izany ho an’ny volana janoary 2026.
NOELY : alakamisy 25/12/2025
Hankalaza ny Noely ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino isika ny alakamisy 25 desambra izao. Manasa antsika ho tonga hiaraka hankalaza an-kafaliana ny Krismasy. Hanomboka amin’ny 9:45 ny sorona masina ka hifarimbonana ny fanatanterahana ny litorjia : ny “Fraternità” no hanao ny fanentanana ; hataon’ny ZDA ny vakiteny I ; anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny vakiteny II ; hovakian’ny relijiozy sy MDMK ary ELVIR ny ranombavaka. Asaina ho tonga mialoha ireo mpandray anjara amin’ny litorjia satria mbola mety hisy fandrindrana sy fandaminana mbola hataon’izy ireo alohan’ny lamesa. Hisokatra amin’ny 8:15 ny fiangonana ka ho an’ireo izay mbola maniry hikôfesy dia misy pretra afaka mampikôfesy alohan’ny amin’ny 9:30 (8:15 – 9:30).
Hetsika “Noely” : Alahady 28/12/2025
Araka ny efa fantatsika dia eny amin’ny Collegio San Pietro no hanaovana izany, Viale delle Mura Aurelie, 4, 00152, Roma. Amin’ny 9:00 ny fahatongavantsika any an-toerana ; lamesa manomboka amin’ny 10:15 ka ny MDMK no manomana ny litorjia ; mitohy amin’ny sakafo atoandro sy ny lanonana isan-karazany ny fotoana. Mamarana sy mandamina ny toerana isika amin’ny 17:00 mba ho afaka mody amin’ny 17:30. Toy ny efa mahazatra antsika dia misy ny zavatra omanin’ny Ankohonana Rasoamanarivo amin’ny fiarahana misakafo, fa isika rehetra koa dia hivimbina zavatra hifampizarana, toy ny laoka isan-karazany, zavapisotro…
Mirary Noely sambatra ho antsika rehetra sahady !
P. Pascal, sj.