ALAHADY 01/02/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Mgr Marcellin, evekan’i Farafangana, no nitarika ny sorona masina ny alahady 1 febroary teo ; notronin’ireo pretra maromaro tonga tao. P. Joslin sy Pres. Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ny M.D.M.K. no niandraikitra ny litorjia. Fotoan-dehibe ho an’ny M.D.M.K. ihany koa tamin’io satria nanao ny “famehezantena” izy ireo. Nisy “rinfresco” taorian’ny sorona masina.

Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 8 febroary izao ; mbola izy ireo ihany koa no hitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fandiovana ny Chiesa san Macuto-Bellarmino ho an’ity volana febroary ity.

Amin’io 8 febroary io dia ny litorjian’ny “Alahady faha-5 mandavantaona (A)” no ankalazaintsika, fa eo am-panombohana dia hisy ny fanamasinana ny laboziantsika. Manentana antsika noho izany mba hivimbina labozia.

Ilazana dieny izao isika fa hisy ny “récollection” fiomanana amin’ny Paka 2026 izay hataon’ny Ankohonana Rasoamanarivo amin’ny alahady 8 mars izao. Ao amin’ny tranon’ny freran’i Saint Gabriel eny Ipogeo degli Ottavi eto Roma no hanaovantsika izany. Holazaina amintsika aoriana kely ny antsipirihany.

Efa voaraintsika any amin’ny whatsApp Rasoamanarivo ny fanasana ho antsika rehetra momba ny fifampiarahabana tratry ny taona karakarain’ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA). Any amin’ny Viale Cortina d’Ampezzo, 138, 00135, no hanaovana izany amin’ny 15 febroary izao.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.