ALAHADY 28/12/2025

Arahaba tratry ny taona vaovao 2026  !

Vita ny hetsika noely nataontsika tamin’ny alahady 28 desambra teo. Natomboka tamin’ny sorona masina ny fotoana. P. Pascal no nitarika ny sorona masina ; P. Fulgence no nitondra fifampizarana momba ny fianakaviana tamin’ny toriteny. Niara-nanolotra ny sorona tao ihany koa ry môpera Thierry, Toky, Barnabé ary Rémi. Notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana ary kalokalo sy fetin’ny noely avy eo. Misaotra antsika rehetra nandray anjara tamin’ny fanamasahana iny fankalazana iny tamin’ny fomba maro samihafa. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prezidà Silvestro sy Mme Odile no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.

Amin’ny alahady 4 janoary 2026 dia anjaran’ny ELVIR indray ny fanomanana sy fanentanana litorjia. Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny mitady ny fotoana hanaovan’izy ireo ny fandiovana ny fiangonana San Macuto-Bellarmino  ho an’ny volana janoary 2026.

Hanao fifampiarahabana tratry ny taona 2026 isika amin’ny alahady 11 janoary izao. Mbola hampitaina amintsika eo ny antsiripirihany sy ny toerana hanaovana izany.

Mamerina ny fiarahabana antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2026.

 

P. Pascal, sj.