TRATRY NY NOELY DAHOLO ISIKA REHETRA !
NOELY 25/12/2025 !
Nankalaza ny Noely androany 25 desambra. Mamerina ny fiarahabana antsika rehetra tratry ny noely. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny sorona masina. P. Pascal no nitarika ny lamesa, niaraka tamin’ireo pretra maro tonga tao an-toerana. Nifarimbonana ny fanatanterahana ny litorjia ka i P. Joslin sy i Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika rehetra tamin’ny fandraisantsika anjara tamin’ny endrika samihafa tamin’ny fiomanana sy fiantrehana ny noely. Niezaka tonga ihany isika na dia nahiana ho vitsy kely noho ny orana nikija nandritra ny tapany maraina. Vita moa ny lamesa dia samy niala maimaika nanenjika bus ho an’ny fodiana.
FAMPAHATSIAHIVANA “Hetsika Noely” : Alahady 28/12/2025
Araka ny efa fantatsika dia eny amin’ny Collegio San Pietro no hanaovana izany, Viale delle Mura Aurelie, 4, 00152, Roma. Amin’ny 9:00 ny fahatongavantsika any an-toerana ; lamesa manomboka amin’ny 10:15 ka ny MDMK no manomana ny litorjia ; mitohy amin’ny sakafo atoandro sy ny lanonana isan-karazany ny fotoana. Mamarana sy mandamina ny toerana isika amin’ny 17:00 mba ho afaka mody amin’ny 17:30. Toy ny efa mahazatra antsika dia misy ny zavatra omanin’ny Ankohonana Rasoamanarivo amin’ny fiarahana misakafo, fa isika rehetra koa dia hivimbina zavatra hifampizarana, toy ny laoka isan-karazany, zavapisotro…
BUS : Maro ny fomba hahafahantsika mihazo ny toerana, ampian’ny toromarika avy amin’ny Internet na ny GPS (Global Positioning System), fa azo raisina ihany koa ireto bus roa ireto :
Mandray 870 miainga eo “Paola” mizotra makany “Trullo” (azo raisina Lungotevere in Sassia/Osp. Santo Spirito) ; midina eo “Carini/S. Pancrazio”. Minitra vitsivitsy avy eo ny vavahady hidirana (viale delle Mura Aurelie, 4).
Mandray 115 miainga “Paola” (azo raisina Lungotevere in Sassia/Osp. Santo Spirito) ; midina eo “Carini/S. Pancrazio”. Minitra vitsivitsy avy eo ny vavahady hidirana (viale delle Mura Aurelie, 4).
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.