Miarahaba antsika rehetra !
Mgr Jean Claude, evekan’i Miarinarivo, no nitarika ny sorona masina ny alahady 1 marsa teo ; Mgr Jean Pascal, evekan’Antsirabe, no nanao ny fampianarana sy nizara momba ny soratra masina. Maro ihany koa ireo pretra tonga niara-nanolotra ny sorona masina niaraka tamin’izy ireo. Ny “Ekipa sôlida” no nanentana ny litorjia ; Mr Hervé sy prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
RÉCOLLECTION – ALAHADY 8 MARSA :
Toerana : Tranon-dry “Fratelli di San Gabriele”, via Trionfale 12840, 00135 Roma
Mpitarika : P. Mickael (avy amin’ny diosezin’i Miarinarivo)
Litorjia : anjaran’ny Pretra sy Relijiozy
Fandaharam-potoana :
9:00 : Fahatongavana – fiomankomanana
10:30 : Sorona masina
11:45 : Tari-kevitra omen’i P. Mickael
13:00 : sakafo atoandro
15:00 : Lalan’ny Hazofijaliana
15:45 : Famaranana entin’i P. Mickael
Sakafo atoandro : Samy mivimbina zavatra hifampizarana toy ny mahazatra (laoka, voankazo…) fa ny vary efa misy mikarakara eny.
Fomba hahatongavana eny an-toerana : “Treno” makany Bracciano, Cesano, Viterbo (azo raisina Roma San Pietro), midina eo “ Ipogeo degli Ottavi. Na ihany koa mandray bus 907 avy eo Cornelia makany amin’ny “Stazione La Giustiniana”, dia midina eo amin’ny “Via Trionfale /Ipogeo degli Ottavi”, tsy lavitra ny vavahady (Mety misy mahita lalana hafa ihany koa isika).
Entanina isika amin’ny Fivahiniana masina karakarain’ny “Migrantes – Vicariato Roma” amin’ny 18 avril izao. Miainga ao Circo Massimo amin’ny sasakalina amin’io andro sabotsy 18 avril io, mandeha mizotra makeny amin’ny Santuario del Divino Amore. Lamesa eny an-toerana, tarihin’i Kardinaly “Vicario”, ny alahady 19 avril amin’ny 5 ora maraina.
Mankalaza ny faha-100 taonan’ny nahatongavana tany Madagasikara ny Fikambanana “TRINITERA” (02/08/1926 – 02/08/2026). Hisy sorona masina hanamarihana izany ao amin’ny Bazilika Md. Crisogono eto Roma (Trastevere) amin’ny sabotsy 30 may 2026 amin’ny 11:00. Hatao amin’ny teny italianina ny lamesa fa ny hira rehetra kosa dia hatao amin’ny teny malagasy. Manasa antsika rehetra noho izany ireo TRINITERA. Asain’izy ireo ihany koa isika amin’ny fanentanana sy fandraisana anjara amin’ny litorjia, ka hojerentsika amin’izay fotoana maha mety azy ny fiomanana amin’izany (mbola ho tonga ny taratasy fanasana).
Mirary soa ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj.