ALAHADY 08/02/2026

Miarahaba antsika rehetra, 

P. Nambinina no nitarika ny sorona masina ny alahady 8 febroary teo ; niaraka tamin’ireo pretra tonga tao : P.P. Germain, Rémi, Toky, Eugène ary Pascal. Ny relijiozy, « Sœurs du Christ », no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. 

Amin’ny alahady 15 febroary dia anjaran’ny ELVIR ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. Isaorana ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy nandio ny fiangonantsika san Macuto-Bellarmino taorian’ny sorona masina.

Ho tonga ao am-piangonana i Mgr Herizo, evekan’i Maintirano, sy Mgr Donatien, evekan’Ambanja, amin’ny alahady 22 febroary izao. Izy  ireo no hitarika ny sorona masina ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin’io andro io. Aorian’ny sorona masina dia hisy “rinfresco” hiarahana.

Hanao ny “récollection” fiomanana amin’ny paka 2026 ny Ankohonana Rasoamanarivo amin’ny alahady 8 mars izao. Any amin’ny tranon’ny “Fratelli San Gabriele”, via Trionfale 12840 – 00135 Roma, no toerana hanaovana izany. Môpera Mickael (Miarinarivo) no hitarika ny “récollection”. Hahazo ny antsipiriham-baovao momba ny fandaminana isika aoriana kely.

Ilazana dieny izao isika fa ny “Migrantes” eto amin’ny “vicariato di Roma” dia mikarakara Fivahiniana masina (marialy), hizotra ho eny amin’ny “Santuario del Divino Amore”, amin’ny 18 avrily izao. Miainga ao “Circo Massimo” ny dia masina amin’ny sasakalina (24) ; amin’ny 5 maraina kosa (eo ho eo) ny lamesa eny amin’ny “santuario del Divino Amore”. Mivonòna dieny izao isika te hanatanteraka io dia masina io.

Mirary soa ho antsika rehetra,

 

P. Pascal, sj.