F.F.K.M. Roma : Fiaraha-mivavaka eokomenika ny alahady 26 marsa 2023 amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny eglizin'i San Macuto

 

Antomotra ny 29 martsa ary ilaina hatrany ny mivavaka ho an'ny firenentsika. 

Ho fiombonana amin'ny Firaisam-pinoana, ny komitin'ny FFKM  avy ato amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma dia nandray ho adidy ny amin'ny fandaminana rehetra mba ahafahantsika hiaraka hanandratra vavaka ho an'ny tanindrazana.

Koa amin'ny alahady 26 martsa ho avy izao amin'ny 3 ora tolakandro no hanatontosantsika izany ao amin'ny foiben'ny Ankohonantsika, chiesa di San Macuto, via del seminario 120. Ny datin'ny 29 martsa moa no tena idealy saingy an'elanelanandro izy ka naroso ny alahady 26 mba ho maro isika mpiray tanindrazana monina eto Italia - tsy manavaka finoana, tsy manavaka firehana - no ho avy hiara-hientana.

Ilazao izay tsy naharay ity vaovao ity. Mirary soa.