Batemin'i Manuele kely teny Orte

 

Nandeha tany Orte ny Ankohonana Rasoamanarivo tamin'ny alahady 5 novambra 2023 teo, nivoaka sady namonjy ny batemin-janak'i Mr Rado sy Mme Caroline. Nifarimbonana ny litorjia ary Mr Hervé no nitendry. Mompera Pascal no nitarika ny Sorona Masina, niaraka tamin'i Don Maslov izay pretran'ny paroasy nandray tao an-toerana. Tamin'ny 11 ora ny lamesan'ny batemy tao amin'ny paroasy "Santa Maria della strada". Taorian'izay dia nizotra nankany amin'ny tranon'i Mr Rado mianakavy niara-nisakafo sy niara-nifaly.  Na dia oram-be aza teo am-piaingana avy tatý Roma ny alahady maraina dia nitsahatra tsy ela izany ary tsara, tsy nisy orana, ny andro mandra-piverin'ny rehetra teto Roma. Deo gratias !

Hitombo fahasoavana hatrany anie i Manuele kely, manomboka amin'izao dingan'ny Batemy izao.

P. Pascal sj