Alahady 23/06/2024

Miarahaba antsika rehetra,

Fintinina amintsika ary ny tontolo andron'ny alahady 23 jiona 2024 teo.

Ny tapany maraina dia nisy ny sorona masina toy ny mahazatra. Môpera Pascal no nitarika izany, niaraka tamin'i môpera Barnabé sy Joslin ary diakra Fabrice. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Môpera Joslin no nitendry ny zavamaneno. Vao tsy ela i Fabrice (SDB) no nohamasinina ho Diakra ka fotoana niarahaban'ny Ankohonana Rasoamanarivo azy io fihaonana voalohany tao am-piangonana San Macuto io. Nisy tanora roa lahy vao tonga eto Roma ihany koa hita tao am-piangonana, dia i frera Désiré sy Manitra. Izy roa lahy ireto, izay samy zezoita, dia hanomboka ny fianarana teolojia ao amin'ny Pontificia Università Gregoriana (PUG). 

Ny tapany hariva indray, nanomboka tamin'ny 2:50, dia nisy ny fotoam-pivavahana ekiomenika nitondrana am-bavaka manokana ny firenena malagasy amin'izao fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena izao. Niara-nisalahy tamin'ny fikarakarana izany ny F.F.K.M. - Roma ; nivavaka ho an'i Madagasikara, ho an'ny fiombonana sy fifankatiavan'ny samy malagasy...Taorian'ny fotoam-pivavahana dia nisy ny fialana hetaheta fanamarihana sahady ny fetin'ny fahaleovan-tena. Ho ela velona i Madagasikara !

Anjaran'ny Fraternità indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny 30 jiona 2024, alahady faha-13 mandavantaona (B).

Amin’ny sabotsy 29 jiona 2024 indray dia hisy adidy masina lehibe ihany koa miandry antsika. Handray ny pallium amin’ny maha arseveka azy i Mgr Gustavo, arsevekan’i Toliary. Eto Roma no hanaovana izany : lamesa ao amin’ny basilika San Pietro ny maraina amin’ny 9:30. Aorian’ny lamesa dia hihazo ny Residenza San Pietro Canisio isika (via dei Penitenzieri, 20- 00193 Roma) hiara-hisakafo sy hirary soa ny arseveka. Miditra eo amin’ny vavahady Borgo Santo Spirito, 4, 00193. Ankoatry ny fanomanan’ny Ankohonana ny vary sy zavatra hafa dia samy mivimbina izay zakany ihany koa hiarahantsika mifampizara sy manotrona an’i Mgr Gustavo. Misy billets fidirana nofandrihana saingy zoma 28 jiona tolakandro vao am-pelatanana izany.

Ny harivan’io andro io, 29 jiona, dia hisy fanononana voady farany any amin-dry masera Trinitaires de Rome ka anasana antsika ihany koa (via Madonna del Riposo).

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

 

P. Pascal, S.I.