Miarahaba antsika rehetra !
Tratry ny Paka daholo !
Nankalaza ny paka isika ny alahady 5 avrily teo. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’ireo pretra izay tonga niara-nanolotra izany. Ny ZDA no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Prez. Silvestro, Mr Ernest sy Mr Stanislas no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Tamin’izany ihany koa moa no nandraisan’i Elsie sy Amine Hamish ny fahasoavana tamin’ny alalan’ny batemy. Isaorana Andriamanitra ary isaorana isika rehetra.
Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 12 avrily izao.
Miomana amin’ny fivahiniana masina hatao ny sabotsy 18 avrily izao isika. Tsiahivina ihany moa fa fivahiniana masina marialy no hatao : miainga ao Circo Massimo amin’ny sasakalina (fahatongavana eo amin’ny Piazza di Porta Capena, eo akaiky Circo Massimo, amin’ny 23:30). Hizotra makeny amin’ny Santuario del Divino Amore ny dia ; lamesa eny an-toerana, izay hotarihin’ny Cardinale Baldo Reina ny alahady 19 avrily, amin’ny 5 ora maraina.
Hahatomombana tsara ny fanomanana io fivahiniana masina io dia angatahina isika izay mikasa hamonjy an’izany mba hampahafantatra mialoha any amin’i Laurencia na Eulalie, na iray ao amin’ny Biraon’ny Ankohonana. Alohan’ny hiarahantsika miainga makany Circo Massimo amin’io 18 avrily io, dia mbola hisy fihaonana miaraka handrindrana ny fandraisana anjara hankinina amin’ny Ankohonana Rasoamanarivo mandritra ny fivahiniana masina. Araho tsy tapaka ao amin’ny whatsApp Ankohonana ny fanamafisam-baovao momba ny fivahiniana masina.
Mirary herinandro sambatra ho antsika !
P. Pascal, sj.