Miarahaba antsika rehetra.
Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” no nanentana ny litorjia tamin’ny alahady 10 mey teo. P. Michel no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Toky, Rolland, Thierry, José ary Eugène. Prez. Silvestro no nitendry ny zavamaneno.
Anjaran’ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady izao, 17 mey. Ny “Fraternità” kosa no hitady fotoana mampalalaka azy ireo hanadiovan’izy ireo ny fiangonana San Macuto-Bellarmino.
Fampahatsiahivana ireo daty sy fanasana efa voaray :
Alahady 17 mey :
“Rosario per la Pace”, karakarain’ny “Equipe Pastorale Migrantes” n’ny diosezin’i Roma. Manomboka amin’ny 17:00, ao amin’ny “Basilica di Santa Maria degli Angeli e dei Martiri”, Piazza della Repubblica. Entanina manokana ny fahatongavantsika.
Sabotsy 23 mey :
Manasa antsika ny maseran’ny Senakla hiombona sy hiara-mivavaka amin’izy ireo noho ny faha-200 taonan’ny Fikambanana (1826-2026). Ao amin’ny “Parrocchia San Pio X”, Piazza della Balduina – 00136 Roma, amin’ny 16:00, ny sorona masina fankalazana anasan’izy ireo antsika.
Alakamisy 4 jiona :
Faha-100 taonan’ny nahatongavan’ireo missionera Trinitera voalohany tany Madagasikara. Amin’ny 18:30 ny lamesa ao amin’ny Basilika Md Crisogono (Trastevere). Ny hira amin’ny litorjia amin’io dia amin’ny teny malagasy. Nanasa antsika manokana ry zareo Trinitera amin’ny fanentanana ny litorjia sy ny fanamasahana ny hira.
Momba ny “Rosario per la pace”, izay efa amin’ny alahady izao amin’ny 17:00 : hisy fanomanana ny hira izay hataontsika amin’io fotoana io aorian’ny lamesantsika ao San Macuto. Manana anjara hira iray isika (hira marialy) ka mila fanomanana tsara.
Mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal, sj.