Alahady 13/10/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Ny litorjian’ny alahady faha-28 mandavantaona (B) no nankalazaintsika tamin’ny sorona masina ny 13 oktobra 2024 teo. Ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia. P. Joslin no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. P. Aimé no nitarika ny sorona masina, notronin’ireo pretra maromaro izay tonga tao. Misaotra antsika rehetra tamin’ny fiarahana nivavaka.

Tamin’io alahady 13 oktobra 2024 io koa dia nisy fankalazana ny “Alahadin’ny mission” tany amin’ny Casa generalizia n’ny SVD (via dei Verbiti 1, 00152 Roma). Nahazo fanasana tamin’izany isika ka nisy fandraisana anjara nataon’ny Ankohonana tany, na nandritra ny lamesa tamin’ny tapany maraina na tamin’ny fety tamin’ny tapany hariva.  Misaotra tamin’izany fandraisantsika anjara izany.

Amin’ny alahady 20 oktobra 2024 izao, araka ny efa hitantsika ombieny ombieny, dia tsy misy lamesa ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino fa hifanotrona amin’ny zanaky ny diosezin’Ambanja any amin’ny Parrocchia Nostra Signora De La Salette (piazza Madonna della Salette, 1, 00154, Roma) isika. I Mgr Donatien, evekan’Ambanja, no hitarika ny sorona masina amin’izany, izay hanomboka amin’ny 12 ora.

Anjaran'ny Elvir no manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 27 ôktôbra 2024. Hitady fotoana ihany koa izy ireo hanadiovana ny fiangonantsika amin'ity volana ôktôbra 2024 ity.

Samy miomana dieny izao ihany koa isika fa hanao ny vokatra amin'ny alahady 17 novambra 2024. Hofariparitana eo ihany ny momba izany.

Hankalaza ny "Festa dei Popoli" miaraka amin'ireo paroasy sy ny aumôneries samihafa ato amin'ny diosezin'i Roma isika ny alahady 27 ôktôbra 2024 izao. Misy fandrindrana ny fankalazana ka hizarazara isaky ny "Prefettura". Ireo paroasy sy aumôneries miaraka ao anaty Prefettura iray dia hiara-hankalaza izany amin'ny paroasy iray. Ny antsika dia ao amin'ny Basilica dei Santi XII Apostoli, piazza dei Santi Apostoli, 51, 00187, Roma, no hankalazana azy amin'io alahady io (dia an-tongotra minitra vitsivitsy miala ny fiangonana san Macuto fivavahantsika). Mbola hanome ny ho fizotran'izany ny "Equipe pastorale Migrantes" n'ny diosezy. Efa mazava kosa fa amin'ny 4 sy sasany tolakandro (16:30) no manomboka ny lamesa. Hisy fandraisana anjara amin'ny litorjia ka vonona fotsiny isika rehefa tonga ny antsipiriham-baovao avy amin'ny mpikarakara. Aorian'ny lamesa dia mbola hisy fandaharana (un tempo conviviale) izay mbola iandrasantsika fanampim-baovao.

Entanina sy asaina daholo isika amin'io Festa dei Popoli amin'ny alahady 27 oktobra 2024 io. Mety misy tsy afaka hanatrika ny lamesa hariva amin'ny 16:30 io anefa ka hasiana lamesa maraina toy ny mahazatra ihany ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'io alahady io.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj