ALAHADY 14/06/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Julien no nitarika ny sorona masina ny alahady 14 jiona teo, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao, toa an-dry mopera Germain, Frésie, Toky, Eugène, Joslin ary Pascal. Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” no nanomana sy nanentana ny litorjia. P. Joslin sy Mr Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.

Anjaran’ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 21 jiona izao ; ny ZDA kosa no hitady fotoana handiovan’izy ireo ny fiangonantsika ho an’ity volana jiona 2026 ity.

Ireo fanasana voaraintsika (ka efa hitantsika any amin’ny whatsApp Ankohonana) :

  • Sabotsy 27 jiona 2026 : amin’ny 19:00 ny sorona masina hanaovan’i Sr Angeline di Santa Teresa del Bambino Gesù sy Sr Angelinà di Cristo Re ny voady mandrakizay. Manasa antsika amin’izany ny “Congregazione delle Suore della Santissima Trinità” eto Roma. Ao amin’ny “Parrocchia di S. Pio V”, Largo San Pio V, 3 – 00165 Roma, no toerana hanaovana ny sorona masina. Mandray anjara amin’ny litorjia sy hira ny Ankohonana Rasoamanarivo ka araho ao amin’ny whatsApp Ankohonana ny lamina sy fandaharana amin’ny fiomanana amin’izany.

 

  • Alahady 28 jiona 2026 : Fankalazana fetim-pirenena malagasy any amin’ny ambasady (via Ricardo Zandonai, 84/a, 00194 Roma). Manomboka amin’n y 16:00 ; amin’ny 15:30 ny fisokafana sy fandraisana. Samy mivimbina zavatra hanaovam-pety…Efa hitantsika ao amin’ny WhatsApp Ankohonana ny fanasana sy ny momba izany.

 

  • Sabotsy 04 jolay 2026 : amin’ny 10:30 ny sorona masina hanamasinana ho pretra an’i Diakra Andry Zo ao amin’ny “Famiglia dei Discepoli”. Any Amatrice ny toerana, “presso il Palazzetto dello Sport di Amatrice (RI)”. Ny ampitson’io andro io, amin’ny  11:00, dia hanao ny lamesa voalohany ao amin’ny Auditorium Amatrice i môpera Andry Zo. Efa any amin’ny whatsApp ny andinindininy momba izany. Mety maromaro moa ny mikasa handeha amin’io ka tsara angamba ny mifanao fotoana sy miara-dàlana.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj.